FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 5:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Fa ny taranak’Israely no tanimboalobok’i Jehovah Tompon’ny tafika,+

      Ary ny mponin’i Joda no tanimboly* tena tiany.

      Nanantena foana izy hoe hanjaka ny rariny,+

      Saingy indrisy fa tsy nisy nanao ny rariny.

      Nanantena koa izy hoe hisy hanao ny marina,

      Saingy feon’olona mijaly sy mitaraina no henony!”+

  • Isaia 59:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Foana tsy misy intsony ny fahamarinana,*+

      Ary misy mandroba izay olona mifady ny ratsy.

      Nahita an’izany i Jehovah ka tena tsy faly,*

      Satria tsy nisy intsony ny rariny.+

  • Jeremia 5:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Mandehana mivezivezy eny amin’ireo lalana ao Jerosalema.

      Dia jereo tsara daholo ny toerana rehetra sady diniho.

      Mankanesa eny amin’ny tany malalaka be olona dia tadiavo

      Raha mahita olona iray manao ny rariny+

      Sy miezaka ny tsy hivadika ianareo.

      Raha izany mantsy, dia havelako ny helok’ilay tanàna.

  • Amosa 6:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Mihazakazaka eny amin’ny harambato ve ny soavaly?

      Ary hisy hiasa tany miaraka amin’ny ombiny ve eny?

      Tsy manao ny rariny ianareo ka lasa hoatran’ny zavamaniry misy poizina,

      Ary tsy manao izay mahitsy ianareo ka lasa toy ny zavamaniry mangidy be.+

  • Habakoka 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Dia lasa tsy manan-kery ny lalàna,

      Ary tsy misy manao ny rariny intsony.

      Fa voahodidin’ny ratsy fanahy ny olo-marina,

      Ka lasa miova tanteraka ny atao hoe rariny.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara