-
Isaia 12:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Hiteny tokoa ianao amin’izany andro izany hoe:
“Misaotra anao aho, Jehovah ô,
Fa na dia tezitra tamiko aza ianao,
Dia nitony tsikelikely ny fahatezeranao, ary nampionona ahy ianao.+
-
-
Zefania 3:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy ô!
Manaova horakora-pandresena, ry Israely ô!+
Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao manontolo, ry Jerosalema zanakavavy ô!+
15 Efa nesorin’i Jehovah ny didy nanameloka anao,+
Ary efa nampandositra ny fahavalonao izy.+
Eo aminao i Jehovah, ilay Mpanjakan’ny Israely,+
Ka tsy hatahotra loza intsony ianao.+
-