-
Romanina 9:31-33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Ny Israely kosa, na dia niezaka nanaraka ny lalàn’ny fahamarinana aza, dia tsy nahavita nankatò an’izany lalàna izany. 32 Fa nahoana? Satria rehefa niezaka ny ho lasa olo-marina izy ireo, dia nihevitra hoe ny zavatra ataony no mahatonga azy ho olo-marina, fa tsy ny finoana. Tafintohina izy ireo noho ilay “vato mahatafintohina”,+ 33 araka ny voasoratra hoe: “Mametraka vato+ mahatafintohina sy vatolampy mampianjera ao Ziona aho, nefa tsy ho diso fanantenana izay mino azy io.”+
-
-
1 Korintianina 1:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Isika kosa mitory an’i Kristy novonoina teo amin’ny tsato-kazo, izay zavatra manafintohina an’ireo Jiosy ary hadalana amin’ny hafa firenena.+
-
-
1 Petera 2:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Aminareo àry no sarobidy izy, satria mpino ianareo. Fa amin’ny tsy mpino kosa, dia “ny vato tsy tian’ny* mpanao trano+ no lasa vato fehizoro lehibe indrindra”,*+ 8 sady nanjary “vato mahatafintohina sy vatolampy mampianjera.”+ Tafintohina izy ireny satria tsy mankatò ny teny. Izany indrindra no efa voatendry hoe hanjo azy ireny.
-