-
Deoteronomia 13:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Raha misy mpaminany eo aminareo, na olona milaza ny hoavy amin’ny alalan’ny nofy, ka manome famantarana na fambara, 2 ary tanteraka ilay famantarana na fambara nolazainy, sady miteny izy hoe: ‘Andao isika hanaraka andriamanitra hafa’, andriamanitra mbola tsy fantatrao, ‘ary andao hanompo azy’, 3 dia aza mihaino an’izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Mitsapa anareo mantsy i Jehovah Andriamanitrareo,+ mba hahalalany raha tia an’i Jehovah Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo ianareo.+
-