-
Ezekiela 27:32, 33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Hanao an’izao hira fisaonana izao izy ireo sady hitaraindraina satria halahelo anao:
‘Iza no hoatran’i Tyro? Izao anefa izy mangina eny afovoan-dranomasina.+
33 Nanome fahafaham-po firenena maro ianao, rehefa tonga avy eny an-dranomasina ny entanao.+
Lasa nanan-karena ny mpanjaka eto an-tany noho ny harenanao be dia be sy ny entam-barotrao.+
-
-
Ezekiela 28:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Lasa nanan-karena ianao, satria manam-pahendrena sy mahay manavaka.
Manangona volamena sy volafotsy foana ianao, mba hatao ao amin’ny fitehirizanao zava-tsarobidy.+
-