8 Hovonoiny amin’ny sabatra ny mponina any amin’ny tanàna kelinao any ambanivohitra. Dia hanangana manda sy dongon-tany hanaovana fahirano anao izy, ary hitazona ampinga ngezabe rehefa manafika anao. 9 Hopotehiny amin’ny lohondry vy ny mandanao, ary harodany amin’ny famaky ny tilikambonao.