-
2 Tantara 33:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Notenenin’i Jehovah foana i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nihaino izy ireo.+
-
-
2 Tantara 36:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.
-
-
Nehemia 9:29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Na dia nampirisika azy hiverina hanaraka ny Lalànao aza ianao, dia mbola sahisahy ratsy ihany izy ireo, ka tsy nety nihaino ny didinao.+ Nanota izy ireo satria tsy nanaraka ny fitsipikao, izay mahavelona ny olona mankatò azy.+ Mbola mafy loha ihany izy ireo ka tsy niraharaha anao, fa nanamafy hatoka sady tsy nety nihaino.
-