-
Deoteronomia 7:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Hesorin’i Jehovah eo aminao ny aretina rehetra. Ary hataony tsy misy mahazo anao ny aretina faran’izay ratsy efa fantatrao tany Ejipta.+ Fa izay rehetra mankahala anao kosa no hataony voan’izany.
-
-
Apokalypsy 22:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Ary nampiseho ahy ny reniranon’ny ranon’aina+ izy. Madio mangalahala hoatran’ny vato kristaly izy io, sady nikoriana avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry,+ 2 teo afovoan’ny lalamben’ilay tanàna. Nisy hazon’aina teo amin’ny andaniny roa amin’ilay renirano, ary namoa in-12 izy ireo, izany hoe namoa isam-bolana. Ary natao hanasitranana ny firenena ny ravin’ireo hazo ireo.+
-