-
Asan’ny Apostoly 8:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Maro tamin’izy ireo mantsy no nisy fanahy maloto, ary niantsoantso mafy ireny fanahy ireny rehefa nivoaka tamin’izy ireo.+ Betsaka koa ny malemy sy ny kilemaina sitrana.
-
-
Asan’ny Apostoly 14:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ary nisy lehilahy kilemaina tao Lystra. Nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny izy, ka mbola tsy nandeha mihitsy. Ary nipetraka 9 nihaino an’i Paoly nandaha-teny izy. Dia nibanjina azy i Paoly ary nahita fa nanam-pinoana izy ka azo nositranina.+ 10 Niteny mafy taminy àry i Paoly hoe: “Mitsangàna dia mijoroa amin’ny tongotrao!” Tonga dia nitsangana ilay lehilahy ka nanomboka nandeha.+
-