FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 18:19-25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia hoy ilay Rabsake tamin’izy ireo: “Mba lazao amin’i Hezekia hoe: ‘Izao no tenin’ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asyria: “Fa inona koa izany mba atokisanao izany?+ 20 Milaza ianao hoe: ‘Izaho manana tetika sy hery hoentina miady.’ Resa-be fotsiny anefa izany! Fa matoky an’iza ianao no sahy mikomy amiko?+ 21 I Ejipta+ no mba atokisanao hoe hanampy anao. Bararata folaka anefa izy, ka ho voatsindrona ny tanan’izay mitehina aminy dia ho loaka. Hoatr’izany mihitsy i Farao mpanjakan’i Ejipta amin’izay rehetra matoky azy. 22 Raha hilaza ianao hoe: ‘Izahay matoky an’i Jehovah Andriamanitray’,+ fa angaha moa tsy izy no tompon’ireo toerana avo sy alitara nesorinao, ry Hezekia,+ tamin’ianao niteny tamin’i Joda sy Jerosalema hoe: ‘Mila miankohoka eto anoloan’ity alitara eto Jerosalema ity ianareo’?”’+ 23 Raha sahy mifaninana amin’ny mpanjakan’i Asyria tompoko àry ianao, dia homeko soavaly 2 000, dia ho hita eo raha mahita mpitaingin-tsoavaly 2 000 ianao.+ 24 Ianao aza mila miantehitra amin’i Ejipta vao manana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly. Koa na ny governora kely indrindra amin’ny mpanompon’ny tompoko aza ve dia ho vitanao ny hampitsoaka azy? 25 Ary angaha moa izaho tsy nahazo alalana avy tamin’i Jehovah, matoa miakatra hanafika sy handrava an’ity toerana ity? I Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe: ‘Miakara dia tafiho io tany io, ary ravao.’”

  • 2 Mpanjaka 19:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Izao no holazainareo amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda: ‘Aza manaiky hofitahin’ilay Andriamanitrao izay itokisanao ka hiteny hoe: “Tsy ho resin’ny mpanjakan’i Asyria i Jerosalema.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara