-
Isaia 26:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Toy ny vehivavy bevohoka efa ho teraka,
Ka mihetsi-jaza sady mitaraina fa manaintaina,
Dia hoatr’izany izahay noho ny aminao, Jehovah ô!
18 Bevohoka izahay, ary nihetsi-jaza,
Kanefa hoatran’ny hoe niteraka rivotra.
Tsy nahavonjy an’ilay tany izahay,
Ary tsy nisy zaza teraka mba hipetraka ao amin’ilay tany.
-