-
2 Mpanjaka 20:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Mbola tsy tafavoaka teny amin’ny tokotany afovoany akory i Isaia, dia niteny taminy i Jehovah hoe:+ 5 “Miverena any amin’i Hezekia mpitarika ny vahoakako, dia lazao aminy hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida razambenao: “Efa henoko ny vavaka nataonao, ary efa hitako ny ranomasonao.+ Koa hanasitrana anao aho,+ dia hiakatra any an-tranon’i Jehovah ianao rahafakampitso.+ 6 Hampiako 15 taona ny andro hiainanao. Ary hovonjeko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria ianao sy ity tanàna ity,+ ka harovako ity tanàna ity noho ny amin’ny anarako sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.”’”+
-