-
Jeremia 15:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary raha manontany anao izy ireo hoe: ‘Handeha ho aiza izahay?’, dia izao avaly azy: ‘Izao no lazain’i Jehovah:
“Ho tratran’ny loza mahafaty izay natao ho tratran’ny loza mahafaty!
Ho fatin’ny sabatra izay natao ho fatin’ny sabatra!+
Ho fatin’ny mosary izay natao ho fatin’ny mosary!
Ary ho lasa babo izay natao ho lasa babo!”’+
-
-
Jeremia 29:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “‘Dia henjehiko amin’ny sabatra+ sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ireo. Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo azy.+ Hanozona azy ireo ny olona any amin’ny firenena rehetra hanaparitahako azy, sady ho gaga sy hisioka rehefa mahita an’izay hanjo azy,+ ary handatsa azy.+
-