-
Deoteronomia 28:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+
-
-
Josoa 23:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Hoatran’ny nahatanterahan’ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo+ koa anefa, no hampiharan’i Jehovah aminareo ny loza* rehetra nolazainy hoe hanjo anareo, sy handringanany anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.+ 16 Raha mivadika amin’ny fifanekena nasain’i Jehovah Andriamanitrareo nohajainareo ianareo, ary mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka amin’izy ireny, dia ho tezitra be aminareo i Jehovah,+ ka tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tsy ho eo amin’ilay tany tsara nomeny anareo.”+
-