-
Jeremia 40:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Henon’ny Jiosy rehetra tany Moaba, Amona, Edoma, ary tany amin’ny tany hafa rehetra fa nisy olona navelan’ny mpanjakan’i Babylona hijanona tao Joda. Ren’izy ireo koa fa nanendry an’i Gedalia zanak’i Ahikama, zanak’i Safana izy hiandraikitra an’ireo. 12 Nanomboka niverina avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahana azy àry ny Jiosy rehetra. Tonga tany Joda, tao amin’i Gedalia tao Mizpa, izy ireo, ary nanangona divay sy voankazo be dia be masaka fahavaratra.
-