-
Deoteronomia 6:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Izao no didy sy fitsipika ary didim-pitsarana asain’i Jehovah Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo rehefa miampita any amin’ilay tany halainareo ho anareo ianareo. 2 Dia amin’izay hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo ary ny zafinareo,+ ka hanaraka ny lalàny sy ny didiny rehetra andidiako anareo ianareo mandritra ny androm-piainanareo, mba ho ela velona.+
-