-
Nomery 21:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Dia niala teo indray izy ireo ka nitoby tao amin’ny faritr’i Arnona,+ izay tany an-tany efitra. Nanomboka teo amin’ny sisin-tanin’ny Amorita io tany efitra io. Fa i Arnona no sisin-tanin’i Moaba, teo anelanelan’i Moaba sy ny tanin’ny Amorita.
-
-
Josoa 13:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa efa nahazo ny lovany teny ampita atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, araka izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah azy ireo. Ireto avy izany:+ 9 Manomboka eo Aroera+ eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona,+ sy ilay tanàna eo afovoan’io lohasaha io, sy ny lembalemban’i* Medeba manontolo, hatrany Dibona;
-