-
Isaia 1:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “Hataoko inona koa izay sorona be dia be atolotrareo?”,+ hoy i Jehovah.
-
-
Isaia 66:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Izay mamono omby, dia hoatran’ny mamono olona ho faty.+
Izay manao sorona ondry koa, dia toy ny mively hatok’alika mba hahafaty azy.+
Izay manolotra fanomezana indray, dia hoatran’ny manolotra ran-kisoa,+
Ary izay manolotra ditin-kazo manitra+ ho fahatsiarovana, dia toy ny mitso-drano olona amin’ny teny fampiasan’ny mpimasy.*+
Izy ireo ihany no mifidy ny lalana halehany,
Ary mahafinaritra azy ny zavatra maharikoriko.
-
-
Jeremia 7:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Mandehana àry ampio fanatitra dorana manontolo ny sorona hafa ataonareo, dia hano ho anareo ny hena!+
-
-
Amosa 5:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Halako sady maharikoriko ahy ny fetinareo,+
Ary tsy mahafinaritra ahy ny hanitry ny sorona ataonareo amin’ny fivoriambe makotrokotroka.
-