-
2 Tantara 33:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nanorina alitara ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy, teo amin’ny tokotany roa amin’ny tranon’i Jehovah.+
-
-
2 Tantara 36:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ary nivadika tanteraka tamin’Andriamanitra ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny vahoaka, sady nanao ny zava-maharikoriko rehetra fanaon’ny firenena hafa. Nolotoin’izy ireo koa ny tranon’i Jehovah,+ izay efa nohamasininy tao Jerosalema.
-
-
Jeremia 7:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Heverinareo fa lava-bato fiafenan’ny jiolahy angaha ity trano mitondra ny anarako ity?+ Hitako ange ny ataonareo e!”, hoy i Jehovah.
-
-
Ezekiela 8:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia niditra aho, ka nahita sarina biby mandady sy biby maharikoriko isan-karazany,+ ary ny sampy maharikoriko* rehetra notompoin’ny taranak’Israely.+ Natao sary sokitra eran’ny rindrina ireny. 11 Nisy anti-panahy 70 teo amin’ny taranak’Israely nijoro teo anoloan’ireny, ary niara-nijoro taminy koa i Jazania zanak’i Safana.+ Samy nitondra ny fitaovany fandoroana emboka manitra izy ireo, dia niakatra ny setrok’ilay emboka manitra nodorana.+
-