-
Jeremia 5:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Mandehana mivezivezy eny amin’ireo lalana ao Jerosalema.
Dia jereo tsara daholo ny toerana rehetra sady diniho.
Mankanesa eny amin’ny tany malalaka be olona dia tadiavo
Raha mahita olona iray manao ny rariny+
Sy miezaka ny tsy hivadika ianareo.
Raha izany mantsy, dia havelako ny helok’ilay tanàna.
-
-
Jeremia 9:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Raha mba manana toeram-pilasian’ny mpanao dia lavitra mantsy aho any an-tany efitra,
Dia handao ny fireneko aho ka handeha lavitra azy.
Mpanitsakitsa-bady+ mantsy izy rehetra
Sady mpivadika daholo.
-
-
Daniela 9:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Nandika ny Lalànao daholo ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao. Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy mpanomponao,+ satria nanota taminao izahay.
-