23 Hanendry mpiandry iray hikarakara ny ondriko aho,+ dia i Davida mpanompoko,+ ka homeny sakafo ireny. Izy mihitsy no hanome sakafo azy ireo ka ho lasa mpiandry azy.+
5 Aorian’izay, dia hiverina ny vahoakan’Israely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny+ sy Davida mpanjakany.+ Any am-parany any,+ dia hanatona an’i Jehovah izy ireo satria matahotra azy, sady maniry ny hanehoany ny hatsaran-toetrany.