FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16 Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo.

  • Isaia 6:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ataovy donto ny fon’ity vahoaka ity,+

      Ataovy tsy maheno tsara ny sofiny,+

      Dia ataovy miraikitra ny masony,

      Amin’izay ny masony tsy hahita,

      Ary ny sofiny tsy haheno.

      Amin’izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan’ny zavatra henony,

      Dia tsy hiverina amiko izy ka tsy ho sitrana.”

  • Jeremia 8:21, 22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Torotoro fo aho noho ny ratran’ny zanakavavin’ny fireneko.

      Kivy be aho,

      Sady matahotra be mihitsy!

      22 Tsy misy balsama* angaha any Gileada?

      Ary tsy misy dokotera angaha any?

      Koa nahoana no mbola tsy sitrana ihany ny zanakavavin’ny fireneko?

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara