-
Ezekiela 18:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Fa inona koa no tianareo holazaina amin’izao ohabolana fampiasanareo any amin’ny tanin’ny Israely izao: ‘Ny rainy no nihinana voaloboka marikivy, nefa ny nifin’ny zanany no madilo’?+
3 “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia tsy hampiasa an’izany fitenenana izany intsony ianareo, any Israely. 4 Fa ahy ny aina rehetra. Ahy ny ain’ny ray, dia hoatr’izany koa ny ain’ny zanaka. Izay olona manota no ho faty.
-