-
Joba 39:14-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Fa ilaozany eo amin’ny tany ny atodiny,
Ary hafanainy ao anaty vovoka izany.
15 Hadinony hoe mety hisy tongotra hanosihosy an’ireny,
Na bibidia hanitsakitsaka an’ireny.
16 Masiaka amin-janany izy, toy ny hoe tsy zanany ireny;+
Tsy mampaninona azy na dia mety ho very maina aza izay nisasarany.
-