-
Deoteronomia 28:54-57Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
54 “Na ny lehilahy miaingitraingitra sy sarotsarotiny indrindra eo aminao aza tsy hiantra ny rahalahiny sy ny vady malalany ary ny zanany sisa miangana. 55 Tsy hisy hozarainy amin’izy ireo ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy manana na inona na inona intsony izy. Ho mafy be mantsy ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.+ 56 Ary ny vehivavy miaingitraingitra sy sarotsarotiny eo aminao, izay tsy te hanitsaka ny tany amin’ny faladiany akory fa miaingitraingitra be,+ dia tsy hiantra ny vady malalany na ny zanany lahy na ny zanany vavy, 57 satria tsy tiany homena azy ireo ny tavòny mivoaka avy eo anelakela-peny sy ny zaza naterany. Hohaniny mangingina mantsy ny zaza naterany sy ny tavòniny, satria ho mafy be ilay fahirano, sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.
-