-
2 Mpanjaka 24:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nataon’i Nebokadnezara sesitany i Jerosalema manontolo, ny andriana+ rehetra, ny miaramila matanjaka rehetra, ary ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy*+ rehetra. Nahatratra 10 000 ny isan’ireo natao sesitany. Tsy nisy navelany afa-tsy ireo mahantra faraidiny teo amin’ny vahoaka.+ 15 Nataony sesitany tany Babylona+ àry i Joiakina.+ Nentiny avy any Jerosalema koa ny renin’ny mpanjaka, ireo vadin’ny mpanjaka, ny tandapany, ary ny olona ambony teo amin’ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona.
-