-
1 Mpanjaka 6:31-35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Ary teo amin’ny fidirana mankao amin’ny efitra anatiny indrindra, dia nasiany varavarana roa vita tamin’ny hazo kesika, sy andry teo amin’ny andaniny roa, ary tolàna. Io no ampahadiminy.* 32 Hazo kesika no nanaovana an’ireo varavarana roa, ary nasiany sary sokitra kerobima sy hazo palmie ary voninkazo mamelana teo amin’izy ireo. Ary nopetahany takela-bolamena ireo varavarana, ka nokapokapohiny teo ambonin’ireo sarina kerobima sy sarina hazo palmie ilay takela-bolamena mba hametahana an’ilay izy. 33 Toy izany koa no nanaovany ny fidirana mankao amin’ny tempoly.* Nasiany tolàna vita tamin’ny hazo kesika ilay izy, ka ireo ny ampahefany.* 34 Ary nanamboatra varavarana roa vita tamin’ny hazo zenevrie izy. Misy lelavaravarana roa ny varavarana tsirairay, ary samy mihodina amin’ny savily ireo lelavaravarana ireo.+ 35 Nasiany sary sokitra kerobima sy hazo palmie ary voninkazo mamelana izany. Dia nopetahany takela-bolamena ireo sary ireo.
-