-
Levitikosy 21:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ilazao ireo mpisorona zanakalahin’i Arona hoe: ‘Tsy tokony hisy amin’izy ireo handoto ny tenany rehefa misy maty eo amin’ny fireneny.*+ 2 Azony atao anefa izany raha havany akaiky iray ra aminy no maty, izany hoe ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy, na ny rahalahiny. 3 Azony atao koa ny mandoto ny tenany rehefa maty ny anabaviny, raha virjiny ilay anabaviny sady akaiky azy ary mbola tsy manambady.
-