-
Josoa 14:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia naka ny lovany tao amin’ny tany Kanana ny Israelita. I Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny Israely no nanome azy ireo an’izany.+ 2 Tamin’ny antsapaka no nizarana ny lovan’izy ireo,+ araka ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy momba an’ireo foko sivy sy ny antsasaky ny foko iray.+
-
-
Ezekiela 47:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 “Zarao ho anareo foko roa ambin’ny folon’ny Israely io tany io. 22 Tokony hozarainareo ho lovanareo izy io. Tokony homenareo lova amin’izy io koa ny vahiny miara-mipetraka aminareo, izay niteraka rehefa niara-nipetraka taminareo. Ho toy ny teratany israelita mihitsy izy ireo, aminareo. Dia hahazo lova eo amin’ny fokon’ny Israely miaraka aminareo izy ireo.
-