-
Josoa 21:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Nanatona an’i Eleazara+ mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ny lohan’ny fianakaviamben’ny fokon’ny Israely ireo lohan’ny fianakaviamben’ny Levita, 2 ka niteny tamin’izy ireo tao Silo,+ tany Kanana, hoe: “Efa nanome didy tamin’ny alalan’i Mosesy i Jehovah hoe homena tanàna hipetrahana sy kijana ho an’ny biby fiompinay izahay.”+
-