-
Ezekiela 48:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tokony hatokanareo ho fanomezana ny ampahany eo amin’ny sisin-tanin’i Joda, manomboka eo amin’ny sisiny atsinanana ka hatreo amin’ny sisiny andrefana. Tokony hirefy 25 000 hakiho* ny sakany.+ Tokony hitovy amin’ny lavan’ny tany nomena ny foko hafa koa ny lavany, manomboka eo amin’ny sisiny atsinanana ka hatreo amin’ny sisiny andrefana. Ary ho eo afovoan’izy io ny toerana masina.
-