-
Eksodosy 40:35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Koa tsy afaka niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy, satria nijanona teo ambonin’izy io ilay rahona, ary feno ny voninahitr’i Jehovah ilay tranolay.+
-
-
2 Tantara 5:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Raha vao niara-nidera sy nisaotra an’i Jehovah ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, ka naneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno hafa, dia feno rahona ilay trano,+ izany hoe ny tranon’i Jehovah. Nidera an’i Jehovah izy ireo tamin’izay, “fa tsara izy, ary be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay.”+
-
-
Ezekiela 43:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy tao amin’ilay tokotany anatiny, ary hitako fa feno ny voninahitr’i Jehovah ilay tempoly.+
-