-
Ezekiela 1:15-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Tamin’izaho mbola nijery an’ireo zavamananaina ireo, dia nahita kodiarana iray teo amin’ny tany aho, teo akaikin’ny zavamananaina tsirairay manana tarehy efatra.+ 16 Namirapiratra toy ny krizolita no fahitana an’ireo kodiarana ireo, ary nitovy daholo izy efatra. Hoatran’ny kodiarana ao anaty kodiarana* no fahitana an’ireo sy ny bikabikany. 17 Rehefa nandeha ireo, dia afaka nandroso na nihemotra na niankavia na niankavanana, nefa tsy nila nivily teny am-pandehanana. 18 Avo be ireo kodiarana ka tena nahavariana sady nampahatahotra. Ary feno maso ny ivelany amin’ireo kodiarana efatra.+
-