-
Jeremia 2:23, 24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Ahoana no ilazanao hoe: ‘Tsy nandoto ny tenako aho,
Ary tsy nanaraka an’ireo Bala’?
Mba diniho ny anton-dianao tany an-dohasaha,
Ary eritrereto izay nataonao.
Hoatran’ny ramevavavy tanora haingam-pandeha ianao,
Izay mihazakazaka etsy sy eroa fotsiny.
24 Hoatran’ny ampondradia zatra ny any an-tany efitra ianao,
Izay manimbolo rivotra* satria mahery ny filana ao aminy.
Iza no mahatana azy rehefa mitady lahy izy?
Tsy mila mandrera-tena izay rehetra mitady azy,
Fa hahita azy rehefa tonga ny fotoana* itadiavany lahy.
-