-
Jeremia 34:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Mandehana miresaka amin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, dia lazao aminy hoe: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Hataoko resin’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity ka hodorany.+ 3 Ary tsy ho afa-mandositra azy ianao, satria tsy maintsy ho tratra ka hatolotra eo an-tanany.+ Hifanatri-maso amin’ny mpanjakan’i Babylona ianao, ary izy hiresaka mivantana aminao. Dia hoentina any Babylona ianao.’+
-
-
Jeremia 52:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia nopotsirin’ny mpanjakan’i Babylona ny mason’i Zedekia.+ Ary nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ka nentiny tany Babylona, dia nataony am-ponja mandra-pahafatiny.
-