-
Eksodosy 6:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ary halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo aho.+ Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay hanafaka anareo amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’ny Ejipsianina anareo. 8 Ary izaho hitondra anareo any amin’ilay tany efa nanaovako fianianana* hoe homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Dia homeko ho fanananareo izany.+ Izaho no Jehovah.’”+
-