-
Deoteronomia 29:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 —Fantatrareo tsara mantsy hoe nanao ahoana ny fiainantsika tany Ejipta. Fantatrareo tsara koa fa nandalo tao amin’ny tanin’ny firenena samihafa isika tamin’ilay diantsika.+ 17 Ary hitanareo ny zava-maharikoriko notompoin’izy ireo sy ny sampiny maharikoriko*+ vita amin’ny vato aman-kazo sy volafotsy ary volamena, izay teo amin’izy ireo.—
-
-
Ezekiela 20:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “‘“Nikomy tamiko anefa izy ireo sady tsy nety nihaino ahy. Tsy nariany ny zavatra maharikoriko notompoiny, ary tsy nafoiny ireo sampy maharikorikon’i Ejipta.+ Nilaza àry aho fa ho tezitra be aminy, ary hanamparako ny hatezerako izy ireo, any Ejipta.
-