-
Ezekiela 16:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Efa may mafy hanao firaisana ianao, ary nahariharinao ny fitanjahanao rehefa nivaro-tena tamin’ireo lehilahy niarahanao ianao, sady nivaro-tena tamin’ireny sampinao maharikoriko*+ rehetra ireny. Nataonao sorona ho an’ireny sampy ireny mihitsy aza ny ran’ny zanakao.+ 37 Angoniko daholo àry ny lehilahy niarahanao izay nomenao fahafinaretana, izany hoe izay rehetra tianao sy nankahalainao. Hangoniko avy eny amin’ny manodidina rehetra eny izy ireo mba hanohitra anao. Dia haharihariko amin’izy ireo ny fitanjahanao, ka ho hitany hoe mitanjaka tanteraka+ ianao.
-