-
Jeremia 49:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika momba an’i Edoma:
“Tsy misy fahendrena intsony angaha ao Temana?+
Tsy manana torohevitra tsara intsony angaha ireo mahira-tsaina?
Tsy misy ilana azy intsony angaha ny fahendreny?
8 Miverena ka mandosira!
Mandehana miafina any amin’ny lalina, ry mponin’i Dedana!+
Fa hahatonga loza amin’i Esao aho
Rehefa tonga ny fotoana hanasaziako azy.
-