-
Isaia 47:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Tohizo foana àry ny fampiasanao famosaviana sy ody be dia be,+
Dia izay efa nisasaranao hatramin’ianao mbola tanora.
Sao mantsy ianao mba hahita soa amin’izany,
Ary sao ianao mba hahavita hampatahotra olona.
13 Lasa nankaleo anao ny mpanolo-tsaina be dia be eo aminao.
-
-
Daniela 2:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ary hoy ny Kaldeanina tamin’ny mpanjaka: “Tsy misy olona eto ambonin’ny tany mahavita an’izany zavatra angatahin’ny mpanjaka izany. Fa mbola tsy nisy mpanjaka lehibe na governora nangataka zavatra hoatr’izany tamin’ny mpisorona mpanao sikidy, na tamin’ny mpila hevitra amin’ny maty, na tamin’ny Kaldeanina. 11 Sarotra izany zavatra angatahin’ny mpanjaka izany, ka tsy misy mahavita milaza an’izany amin’ny mpanjaka, afa-tsy ireo andriamanitra tsy miaraka amin’ny olombelona mety maty.”*
-
-
Daniela 5:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia tonga daholo ny olon-kendrin’ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavita namaky an’ilay soratra na nahay nilaza ny dikany tamin’ny mpanjaka.+
-