-
Daniela 3:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Nankeo am-baravaran’ilay lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnezara, ka niteny hoe: “Ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego, mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra!+ Mivoaha dia avia atỳ!” Dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. 27 Ary hitan’ny lehibem-paritany sy ny mpiadidy sy ny governora ary ny manam-pahefana ambony tafavory teo+ fa tsy nampaninona azy ireo* ny afo.+ Tsy nisy nikainkona koa ny volon-dohany, tsy niova ny fitafiany ivelany, ary tsy nisy fofon’afo akory aza taminy.
-