-
Estera 8:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary nampanantsoina tamin’io andro io ny mpitan-tsoratry ny mpanjaka, tamin’ny andro faha-23 amin’ny volana fahatelo, izany hoe ny volana Sivàna.* Dia nosoratan’izy ireo ny zava-drehetra nandidian’i Mordekay ny Jiosy sy ny lehibem-paritany+ sy ny governora ary ny andrianan’ny faritany+ tany amin’ireo faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiopia. Nosoratana araka izay soratra fampiasan’ny faritany* tsirairay sy araka ny fitenin’ny firenena tsirairay ilay izy, sady nosoratana ho an’ny Jiosy araka izay soratra fampiasan’izy ireo* sy ny fiteniny.
-
-
Daniela 4:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Izao no tenin’i Nebokadnezara Mpanjaka ho an’ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra eran-tany: Hitombo be anie ny fiadananareo!
-