-
Lioka 19:43, 44Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 Fa ho avy ny andro hananganan’ny fahavalonao fefy hazo maranitra manodidina anao, ka hohodidininy ianao ary hataony fahirano* avy any amin’ny lafiny rehetra.+ 44 Hatontany amin’ny tany ianao sy ny zanakao ao aminao,+ ary tsy hisy vato havelany hifanaingina eo aminao,+ satria tsy takatrao ny fotoana nitsarana* anao.”
-