-
2 Mpanjaka 17:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Fantatry ny mpanjakan’i Asyria anefa hoe nitetika ny hikomy taminy i Hosea. Naniraka olona ho any amin’i So mpanjakan’i Ejipta+ mantsy i Hosea, sady tsy niakatra nitondra hetra ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria intsony, toy ny tamin’ireo taona teo aloha. Nogadrain’ny mpanjakan’i Asyria àry izy, ka nofatorany tao am-ponja.
-
-
Isaia 31:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Hahita loza izay mandeha midina any Ejipta mba hitady fanampiana,+
Sy izay miantehitra amin’ny soavaly,+
Sy izay mitoky amin’ny kalesy fitondra miady satria hoe be dia be ireny,
Ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady* satria hoe tena mahery ireny.
Tsy mba mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo,
Sady tsy mitady an’i Jehovah.
-