-
2 Mpanjaka 16:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Peka zanak’i Remalia, no lasa mpanjaka i Ahaza+ zanak’i Jotama mpanjakan’ny Joda. 2 Ary 20 taona i Ahaza tamin’izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason’i Jehovah Andriamaniny izy, tsy mba hoatran’i Davida razambeny.+ 3 Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely+ kosa izy. Nandoro ny zanany tao anaty afo+ mihitsy aza izy, ka nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena+ efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita.
-