-
Isaia 31:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Hahita loza izay mandeha midina any Ejipta mba hitady fanampiana,+
Sy izay miantehitra amin’ny soavaly,+
Sy izay mitoky amin’ny kalesy fitondra miady satria hoe be dia be ireny,
Ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady* satria hoe tena mahery ireny.
Tsy mba mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo,
Sady tsy mitady an’i Jehovah.
-
-
Hosea 5:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Rehefa hitan’i Efraima ny aretiny, ary hitan’i Joda ny feriny,
Dia nankany Asyria i Efraima,+ sady naniraka olona ho any amin’ny mpanjaka lehibe.
Tsy nahavita nitsabo anareo anefa izy,
Sady tsy nahavita nanasitrana ny ferinareo.
-