-
2 Mpanjaka 13:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Tamin’ny taona faha-37 nanjakan’i Joasy+ mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Joasy zanak’i Joahaza. Ary nanjaka 16 taona izy. 11 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, ka tsy niala tamin’ny fahotana rehetra nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama zanak’i Nebata.+ Nanao an’izany fahotana izany foana* izy.
-