-
Ezra 9:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Ary hoy aho: “Andriamanitro ô! Menatra sy sadaikatra aho ny hiandrandra any aminao, ry Andriamanitro ô! Fa lasa be dia be ny fahadisoanay ka mihoatra ny lohanay, ary efa manakatra ny lanitra ny helokay.+ 7 Tena lehibe ny helokay, hatramin’ny andron’ny razambenay ka hatramin’izao.+ Ary noho ny fahadisoanay, dia navela ho resin’ny mpanjakan’ny tany hafa izahay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay. Dia novonoina tamin’ny sabatra+ izahay, nentina ho babo,+ norobaina,+ ary nalam-baraka, hoatran’izao androany izao.+
-