19 Ary hanao fahagagana eny amin’ny lanitra ambony aho, sy famantarana eny amin’ny tany ambany—dia ra sy afo ary setroka matevina. 20 Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady miavaka.