-
Isaia 63:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Izaho irery no nanitsakitsaka ny voaloboka tao anaty lavaka famiazana azy,
Fa tsy nisy niaraka tamiko ny olona avy any amin’ireo firenena.
Dia nohitsakitsahiko ireny sady tezitra ihany aho,
Ary nohosihoseko ireny sady nisafoaka ihany aho.+
Dia nipitipitika teo amin’ny akanjoko ny rany,
Ka nolotoiko ny akanjoko rehetra.
-
-
Apokalypsy 14:18-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Mbola nisy anjely hafa koa nivoaka avy teo amin’ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ny afo izy. Niantsoantso mafy izy sady niteny tamin’ilay nanana antsy fijinjana maranitra hoe: “Ampiasao ny antsy fijinjanao dia angony ny voaloboky ny tany, satria efa masaka ny voalobony.”+ 19 Dia nijinja ny tany tamin’ny antsy fijinjany ilay anjely sady nanangona ny voaloboky ny tany, ka nanipy an’ireny tao anaty famiazam-boaloboka lehibe, izany hoe ny fahatezeran’Andriamanitra.+ 20 Nohitsakitsahina tany ivelan’ny tanàna ny voaloboka tao anatin’ilay famiazana, ka nisy ra nivoaka avy tao. Ary tafakatra hatreo amin’ny lamboridin-tsoavaly ny ra sady tonga hatrany amin’ny 1 600 stadio.*
-